Amin-kafaliana no iarahabana anao mamangy ny tambatseraseran'ny "Mpiaramivavaka Kristianina Malagasy aty Benelux" (M

 

BIENVENUE SUR LE SITE DE LA M.K.M.B.


Amin-kafaliana no iarahabana anao mamangy ny tambatseraseran'ny "Mpiaramivavaka Kristianina Malagasy aty Benelux" (M.K.M.B).  Araka izany anarana entina izany dia Fiombonana Kristianina ny M.K.M.B. ary misokatra ho an'ny rehetra mino sy manaiky an'i Kristy  hany lohan'ny Fiangonana sady zanak'Andriamanitra, mpamonjy ny olombelona ara-panahy, ara-tsaina ary ara-nofo.

Koa ity fitaovana ity, ry havana, dia natao hifampitaizana sy ifanampiana amin'ny fanamafisana ny finoantsika an'i Kristy.  Fitaovana iray koa izy ity itezana ny olombelona rehetra sy ny olona manontolo.  Amin'ny fiteny mahazatra dia fitaovana iray entina mitory ny Filazantsara ity tambatserasera ity.  Ny tsirairay dia fiangonana, ny fitambarantsika koa dia Fiangonana; koa na irery na maromaro no mamangy izao tambatserasera izao dia tsarovy hatrany fa miara-mamangy amintsika ny Tompo.  Araka izany dia fitaovana iray entina mifamangy koa izy ity.  Mandrosoa àry, ary aza misalasala fa tompontrano ianao.

Ho amintsika rehetra ny Fiadanana.

 

 

Ny mpandrindra :
Hery Rasoamanana.


C'est avec joie que le site de la Communauté Chrétienne Malgache au Bénélux (M.K.M.B.) vous accueille.  Comme son nom l'indique, c'est un site chrétien, dont l'objectif est de rayonner l'enseignement du Christ et de nourrir notre foi.  C'est aussi un moyen pour que nous, Malgaches Chrétiens, puissions renforcer les liens fraternels entre nous et avec les autres Chrétiens.  Cependant, nous ne souhaitons pas que ces liens restent uniquement "virtuels", mais plutôt qu'ils se concrétisent dans le réel !

Que la Paix soit avec nous tous.

 

 

Le coordinateur :

Hery Rasoamanana.